permalien ilay nosy..

Rédigé le Mar 08 Mai, 2007 15:36:04 Ajouter un commentaire

 

Na lavitra aza aho,

Tsy manadino anao,

Fa toy ny reny nitaiza,

Tsy adino n?aiza n?aiza,

Fa nahitako masoandro,

Tiako sy mamiko,

Tadidiko isan?andro,

Tiako ny taniko

 

Fa tiako anie ilay nosy,

Ilay nanabe, nibaby, nandrotsirotsy,

Fa n?aiza n?aiza honenana,

Ny tany nitaiza tsy maintsy iverenana,

Fa ao no ilevenana,

 

Raha toa aho nandeha,

Tsy hitahita, tsy re,

Tsy hoe akory nanary,

Fa nikaroka, nihary,

Fa ny fanahy, ny fo,

Tsy taiza fa teo ihany,

Tany aminao avokoa,

Fa mamy ianao, tena mamy

 

 

comments:

lainga lainga aloha fa tiako dia tiako ny nosy madagasikara e!, tsy atakaloko na inona na inona, tiako koa ny zavatra vita malagasy, ireo hira gasy, ireo mihandrandra ny teny teny sy ny maha-malagasy, ny trano gasy, ny fomba fisainana gasy, sy ny sisa, sy ny sisa... ho fenoiko ihany raha mbola mahita aho.

 

ampy dia mpy tokoa angamba ity hira ity anehoako ny fitiavako ny tanindrazako! dia manantena fa ianareo izay any ampitandranomasina any dia mizara izany eritreritro izany, ka hiverina ety sy hanasoa ny tanintsika! sa tsy izany ve e?

 

veloma mandra-pihaona e!

 

hoby (fanampin'anarako io)